Lyrics into Song Lyrics Generator Vocal Remover Pricing My Songs App

nest

Song generated By ✨LyricsintoSong.com

Song Cover
v1

@ mélanie claudine

2026-09-03 21:09:12

Lyrics

Ankohonana ho an’ny rehetra isika, loharano velona.

1) Isika Marista eto Madagasikara,
Fianakaviana iray tsy mizarazara,
Hampafantatra an’i Jesoa sy Maria,
Amin’ny fiainana andavanandrontsika ety.
Amin’ny alalan’i Maria Renintsika, Ny zavatra rehetra no atolontsika,
Ary ho an’i Jesoa izay tena zokintsika izany, Amin’i Maria izay mendrika hatrany,
Ilaina ny hianambara ny vaovao mahafaly, Amin’ny asa sy ny teny manafaka ny jaly,
Ho an’ireo tanora sy ankizy, indrindra indrindra koa ireo an-jorombala.

Fiverenana
Ankohonana ho an’ny rehetra isika,
Loharano velona tsy mety ritra,
Iainantsika koa ny antson’ny fitia,
Ao amin’i Jesoa, Jesoa sy Maria.
Hampijoro ny finoana no hirasaintsika Fo,
Amim-panetretena sy fitiavana tokoa,
Marista isika, mitondra hazavana tsyisy fetra,
Ho an’ireo madinika sahirana rehetra.


2) Kolotsain’ny antso no atsangantsika,
Manentana ny fo hamaly ankasahiana,
Atsangatsika koa ny fiainam-panahy velona,
Fisaorana sy vavaka tsy atao manelingelina.
Mpitaridalana e! manompo sy manampy,
Mitarika amin’ny fo, mameno izay tsy ampy,
Miaraka miasa, miara-manabe,
Ny ankizy sy tanora ho tena rehareha.

3) I Masina Maria no mitarika ny dia,
Ka mazoto hatrany, ny ho kivy sanatria,
Ho amin’ny fiombonana, Jesoa no lalana,
Masindahy Champagnat no mankahery sy manentana.
Fo tsotra no hanompona, arahim-pitiavana,
Frera, Mpanabe, lahika tena namana,
Mpirotsaka mazoto, ny Marista rehetra,
Ny fiarahantsika tsy asiana fetra.
Hanangana tontolo, tontolom-piombonana,
Ho marista iray, anaty ankohonana.

Style of Music

CALM MALAGASY CATHOLIC worship song, paceful and prayerful athmosphere, 70 BPM, G major, soft piano, subtle acoustic guitar, warm gentlepads and soft bass, mixed groupchoir singing together with blended voices, mostly unison with simple natural harmonies , clear malagasy, no vocal runs, no solo vocal, no belting, no vocal effects and no riffs, simple, pure, unified choir sound, like a paceful communal prayer and praise, large blended choir, voices singing as one, tight ensemble, no individual voice standing aout, same vocal melody throughout the song